Anjakaivo Itaosy: Nalevina ny alatsinainy noely ilay Raim-piankaviana maty notifirin'ny jiolahy

  • mercredi, 27 décembre 2017 13:39
  • Sary Sobika

Tanaty ranomaso sy alahelo no niainan'ny ankohonana sy ny fianakavian'ilay lehilahy namoy ny ainy nandritra ny fanafihan-jiolahy niseho teny Anjakaivo Itaosy, Antananarivo Atsimondrano ny sabotsy teo. Ny tolakandron’ny Noely teo no nandevenana ny nofo mangatsiakany teny Ambohitrimanjaka rehefa avy natao veloma farany tao amin'ny FJKM Andohatanjona Fihavaozana.

Raha tsiahivina moa namoy ny ainy ny alin'ny sabotsy teo ity raim-pianakaviana ity nandritra ny fanafihana tokantrano iray mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo. Ankoatra ny tompontrano izay naratra voatifitra teo amin'ny sorony dia an'isan'ireo nanamparan'ireo jiolahy ny habibiany ity rangahy ity, izay maty tsy tsa-drano noho ny tifitra nahavoa azy teo amin'ny lohany. Mbola eny amin'ny hopitaly ihany koa ireo olona telo hafa naratra voatifitra tamin'io fanafihana io.

Hetahetam-pon'ny fianakaviana sy ny mponina aty an-toerana ny mba hanaovana ny fanadihadiana sy fikarohana lalina ireo olon-dratsy fa tsy ho very an-javony.

Nahasorena ny mponina teny Andohatanjona ihany koa ny fihetsik'ireo mpitandro ny filaminana ny alahady hariva teo. Nanao bemidina nanomboka teny Ambodifasika hatreny Ambohiparaky izay Fokontany manodidina an'Anjakaivo ny mpitandro ny filaminana tao anaty fiara 4*4 miisa telo nampidera basy sy nandrahona izay olona sendra azy ireo.

“Lasa ny alika vao manangom-bato” hoy ny rehetra satria nandritra ny fanafihana niseho ny sabotsy tsy hita izay natao. Na “patrouille” tsindraindray aza amin'ny andavanandro tsy mba azon'iny faritra Andohatanjona iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.