Sambava: Lavanila tsy matoy efa nisy mpangalatra sahady

  • mercredi, 27 décembre 2017 12:20
  • Sary Sobika Sambava

Omaly 26 desambra 2017 no tonga eto Sambava ny lehiben’ny Fokontany Ambohitrakongona, Bejoma Modeste, nitondra lavanila manta ary mbola tsy latsapotry aza, eo amin’ny iray gony, izay nisy nangalatra tany amin’ny Fokontany misy azy, ny alin’ny zoma lasa teo.

Tovolahy telo hoy izy no voarohirohy tamin’ity asa ratsy ity, fa nitsoaka rehefa hitan’ny Andrimasompokon’olona, izay niandry tamin’io fotoana io. Tokony tamin’ny sivy ora alina no nikasan’izy ireo hamoaka ireto lavanila ireto aty Sambava. Rehefa natao ny fanisana ireo very lavanila tao amin'ny Fokontany dia mbola misy eo amin’ny telo gony ary mbola tsy hita.

Nanomboka ny volana oktobra no nisy mamoy ny lavanila ka sivy volana aorian’izany vao azo lazaina fa matoy ny lavanila nefa izao sahady ny zava-misy.

Mitaky ny mponina hoy ny lehiben’ny Fokontany mba hofotorina lalina iza ireo ambadik’izao halatra lavanila izao fa tsy misy mpangalatra io raha tsy misy ny mpividy fa metika mijanona hatreo amin’ny mpangalatra madinika ihany ny fanadihadiana izany, hoy ireo mpamboly lavanio.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.