Fetin'ny Krisimasy 2017

  • mercredi, 27 décembre 2017 11:40
  • Sary Njaka

Toy ny isan-taona dia ankalazain’ny mpino Kristianina ny 25 desambra, andro izay nahaterahan’ny Mpamonjy, dia Jesoa Kristy izany.

Samy manana ny fankalaza azy anefa ny olona amin’ny ankapobeny, misy izay mandray azy ho toy ny fety tsotra ihany.

Ho an’ny Kristianina dia misy ny fanompoam-pivavahana any ampiangonana na Eglizy. Tomefy dia tomefy ny olona rehefa fety toy izao ary hiboka tanteraka tsy mitovy amin’ny alahady tsotra ny fiangonana.

Ny fankalazana ny andro Noely ihany koa dia natokana ho an’ny ankizy. Maro ireo Raiamandreny no mampifaly ny zanany.

Raha ny teny Analakely dia maro tokoa ireo olona tonga teny. Amin’ny ankapobeny dia nilamina tsara ny fankalaza ny Krisimasy.

Anisan'ny nampiavaka ny teny Analakely ny fisian'ireo sécurité nivezivezy manerana ny toerana, sy ireo mpanadio tanàna, izay tsy nitsahatra nanadio.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.