Ambatondrazaka: Nahalafo P.A vita gasy fito vao voasambotra ilay mpanamboatra azy

  • samedi, 23 décembre 2017 19:28
  • Sary Sobika Ambatondrazaka

30.000 Ariary no ivarotany ny iray. Ny zanany lahy saika hanapoaka ilay basy tany an-tsena no niandohan’ny fanadihadiana. Fianakaviana iray monina ao Antanifotsy Ambatondrazaka no mpanamboatra azy, ary tapa-by sy “tuyau” miampy fantsika no akora ampiasainy.

Efa aman-taonany maro no nanamboaran’izy ireo basy poleta vao izao tratra izao. Olona mipetraka ivelan’Ambatondrazaka no mpividy.

Natolotra ny Fampanoavana teto Ambatondrazaka ny zoma 22 desambra izy mianaka ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.