Sambava: Olona voarohirohy nahatratrana basy nefa nivoaka sahady

  • jeudi, 21 décembre 2017 09:22
  • Sary Sobika Sambava

Nikoropaka ny mponina tao Tsararivotra raha vao nahita ny olona voarohirohy ho mpanamboatra sy mpivarotra basy ary nahatratrana basy ihany koa nefa nivoaka sahady.

Ny 10 novambra 2017 no nanolorana azy ireo tany amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha, taorian’ny famotorana nataon’ny Zandarimaria teto Sambava, rehefa nahatratrarana basy maro karazany, miaraka amin'ny fitaovana fanamboarana izany tao Tsararivotra Sambava izy ireo.

Iray volana aty aoriana dia tafaverina sahady eny anivon’ny fiara-monina ireo voarohirohy, ka nanaovana fety bavata.

Ny Kapiteny Maguy Mahamandina, avy amin’ny kaompanian’ny Zandarimaria moa nanambara fa “efa vita ny asanay avy amin’ny Zandarimaria satria efa natolotray ny Fitsarana ny raharaha, koa raha tsy ahitana fandikan-dalàna hafa indray tsy mihetsika izahay”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.