Sambava: 900 Ariary kapoakan’ny fotsimbary

  • jeudi, 21 décembre 2017 08:59
  • Sary Sobika Sambava

Tsy mazava amin’ny mpanjifa ny antony nampiakatra ny vidin’ny vary aty amin’ny Faritra SAVA ka diso kajikajy ny maro, satria raha i SAVA dia ao anatin’ny vanim-potoana tokony hidinan’ny vidim-bary amin’izao fotoana izao satria manomboka matoy ny vary.

Tafakatra 180.000 Ariary ny iray gony ary 900 Ariary ny iray kapoaka amin’ny vary gasy mamoriaka, fa ireo vary be vato no 850 Ariary ny kapoaka ary 170.000 Ariary ny iray gony.

Manahy ny mbola hiakaran’ny vidim-bary hatrany ny mponina aty Sambava ka samy manontany tena hoe, ho aiza ihany ny vahoaka madinika izay mitrongy vao homana ?

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.