ONG Ny Fanahy Maha-Olona - BNGRC: Miady sakafo

  • mercredi, 13 décembre 2017 22:11
  • Sary Njaka

Nampiaka-peo i Ny Rado Rafalimanana, filoham-boninahitry ny ONG Ny Fanahy Maha-Olona, androany, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina, nilaza fa tsinontsinoavin’ny fanjakana ny fanampiana nentin’izy ireo ho an’ny traboina vokatry ny rivodoza Enawo any Antalaha, izay distrika fihavian’ny vady andefomandriny. Maninona, hoy ity tanora mpandraharaha ity ny fanampiana teo aloha, nataon’ny fikambanana ho an’ny sahirana tany Toliara, nentina fiaramanidina manokana nampidirina, fa tamin’ity indray mitoraka ity nohasarotina, tsy raharahaina nefa vonjy aina ho an’ny Malagasy ?

Sakafo masaka iray kaontenera, nentina sambo avy any Dubai, tolo-tanana avy amin’ny Mpanjaka any an-toerana, no tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina saingy mihitsoka ao efa fito volana izao noho ny antony tsy mazava nefa mbola misy kaontenera 29 hafa tokony ho avy, araka ny filazany. Voalaza aza fa efa nahazoana fampilazana fa hatao lavanty mihitsy aza moa izany ankehitriny fa tsy tafavoaka tao amin’ny seranana, nefa efa natolotra ny Birao nasionaly mitantana ny loza na BNGRC, hoy hatrany ny fanazavana.

Manoloana izany dia nitondra fanazavana ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC, Venty Thierry, fa tsy mbola amin’ny anaran’ny BNGRC ny entana voalaza. Manaporofo izany ny “connaissement” na ny taratasy nifanarahan’ny Transitaire (Maersk) nitondra ny entana avy any Dubai nankaty Madagasikara, fa mbola amin’ny anaran’ilay ONG tantanan’i Ny Rado Rafalimanana, raha ny fanazavany. Mbola tany amin’io ONG io koa no navantan’ny Maersk ny taratasy fampahafantarana fa mihitsoka ela loatra ao amin’ny seranana ny kaontenera.

Ny ONG hoy hatrany ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC, Venty Thierry, dia tsy manana zo hisitraka fanalefahana haba na hetra amin’ny entana avoaka ao amin’ny seranana toy ny BNGRC, ka mety tsy nanam-bola hamoahana ny entana ny ONG dia izay no mampihitsoka ny entana iray kaontenera ao, fa raha tamin’ny anaran’ny BNGRC araka ny tolo-kevitra efa nomena an’i Ny Rado Rafalimanana, hoy i Venty Thierry dia efa tamin’ny dingana hafa no nisy io entana voalaza io, fa tsy ifanasoketana toy izao, raha tsy hoe : tiana horirotina amin’ny resaka politika.

Niantso ny mpisolovava Me Willy Razafinjatovo dit Olala moa ny ONG Ny Fanahy Maha-Olona handray an-tanana ity raharaha ity.

I Me Olala moa, teo anatrehan'ny mpanao gazety, dia nilaza fa tsy manana fahefana intsony itory ny ONG satria tsy misoratra aminy intsony ny entana, ka dia ho hita raha hiitatra any amin’ny Fitsarana ity raharaha ity satria dia nanizingizina ihany koa i Ny Rado Rafalimanana fa tsy hamela amin’izao ity tranga ity.

(Sary Sobika)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.