Sambava: Voatetika antsy ilay tovolahy voarohirohy tamin'ny hala-jaza

  • mercredi, 06 décembre 2017 07:06
  • Sary Sobika Sambava

Zazalahikely iray dimy taona antsoina hoe Sidiot no nisy nitondra an-tsokosoko tany Antsahalava Beanantsindrabe, tamin'ny alahady 3 desambra tolakandro nahitana azy farany. Nisy olona nahita fa misy lehilahy nitondra azy.

Natao ny fanarahan-dia ka tratra tao Antanambao Mahadera io alahady io, tamin'ny fito ora alina ilay lehilahy. Nofatoran'ny olona izy, avy eo nentina naverina tao Beanantsidra, saingy vao mangiran-dratsy dia votsotra tamin'ny tady namatorana azy izy raha nilaza fa resin-tory ny Quartier Mobile roalahy. Ny iray amin'ireto Quartier Mobile nampiandrasana azy ireto dia rainy niteraka azy, ary olona efa avy niara-nonina tamin'ity zaza ity ihany ilay tovolahy voarohirohy ity.

Raikitra indray ny fanarahan-dia manariva andro ny alatsinainy ka tamin'ny 4ora hariva no tratra tao anaty ala tao Ambalafary Beanantsindra ilay tovolahy. Nentin-katezerana ny Fokonolona ka raikitra avy hatrany ny fitsaram-bahoaka ary dia naratra mafy voatetika antsy.

Naterina tany amin'ny biraon'ny Kaominina Bevontro avy eo novonjena tany amin'ny hopitaly noho ny ratra nahazo azy.

Nametraka fitarainana any amin'ny Benin'ny Tanàna ny fianakavian'ilay ankizilahy nisy nangalatra saingy voatery niakatra aty Sambava noho ny tahotra ny hisian'ny fifandonana satria manomboka tonga maro ao ihany koa ny fianakavian'ilay voarohirohy tamin'izany halatra zaza izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.