EKAR Maria Mpanampy Soanierana: Sempotry ny lakrymôzena ny mpiangona

  • dimanche, 19 novembre 2017 16:16

Nibosesika namonjy varavarana nanavotr’aina hivoaka ny Fiangonana ny Kristianina vokatry ny fofona manempotra tao am-piangonana. Ireo tonga hamonjy lamesa tamin’ny 9ora sy sasany ao amin’ny EKAR Maria Mpanampy Soanierana-Antananarivo no lasibatr'ity fofona lakrymôzena ity.

Folo minitra nialoha ny fanombohan’ny lamesa no niseho ny tranga hafahafa ity. Nisy nisafidy ny lalana nody, nifampisisika ny fivoahan’ny fiara avy ao an-tokontanin’ny Fiangonana. Maro ihany anefa ireo Kristianina niverina tao am-piangonana rehefa lefilefy ny fofona.

Vetivety foana dia tonga teny an-toerana ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina, niampy ny avy amin’ny Hery vonjy taitra ary ny Zandary avy ao Ankadilalana.

Kolonely iray no niezaka nampitony ny Kristianina. Afaka nanomboka ihany ny fotoam-pivavahana taorian’izay, na tsy ampy fifantohan-tsaina aza izany.

Rehefa vita ny lamesa no nanazava ny mompera nitarika ny fotoana, fa niainga avy ao amin’ny tranona mpitandro ny filaminana iray ao atsinanan’ny Fiangonana ilay fofona manempotra.

Nolalaovin’ny zanak’io mpitandro ny filaminana io ny lakrymôzena tao an-tranony (?), ary latsaka tao an-tokontanin-dry zareo izany ka nipoaka. Niparitaka ny setroka, ka io no tafiditra tao am-piangonana rehefa tsofin’ny rivotra ary nanempotra ny mpiangona.

Maro no mametra-panontaniana nanoloana ity tranga teny amin’ny EKAR Maria Mpanampy Soanierana ity hoe, ara-dalàna ve ny fisian’izany grenady lakrymôzena any an-trano izany, ahoana ny fanaraha-maso azy ireny ?

Soa fa tsy nisy aina nafoy na naratra fa mba hafahafa ihany izany grenady tonga eny ampelan-tanan'ny ankizy toy ny kilalao izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.