Vohémar: Mahazo vahana ny halatr’omby

  • dimanche, 19 novembre 2017 15:28

Omby maty efa voatetika tao anaty harona miisa valo no saron’ny Zandary tao Vohémar tamin’ny 11 novambra 2017 rehefa nahazo vaovao mari-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo.

Rehefa nanaovana be midina tany anaty ala tao Androjo Ampondra dia tra-tehaka teo ampitetehana ny tovolahy iray ary niaiky ny zavatra nataony izy.

Omby roa efa maty no mbola hita teo ka an'ny Benin’ny Tanàna lefitra ny iray tamin’ireo omby halatra efa maty ireto.

Tao anatin’ny famotorana natao taminy no nilazany fa aty Sambava no ivarotany ireo henan‘omby efa voatetitetika ireo ka miaraka amin’ireny fiara taxi-brousse mandeha vao maraina ireny izy.

Lohan’omby am-polony no hita tamin’ny faritra namonoany ireto omby ireto izay midika fa efa tsy androany nanaovany izany asa ratsy izany izy.

Ny alakamisy lasa teo no natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Antalaha ilay tovolahy ka nidoboko am-ponja vonjy maika.

Raha ny tarehimarika avy amin’ny kaompanian'ny Zandarimaria Vohémar momba ny halatr’omby dia nisy enina izany tamin’ity volana novambra ity raha valo izany tamin’ny volana lasa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.