RN12A: Tra-tehaka ny tovolahy iray mpanakan-dalana

  • mardi, 14 novembre 2017 15:03
  • Sary Sobika Vangaindrano

Tovolahy iray manakana mpandeha moto sy bisikileta ary nitifitra avy any anaty ala ireo mpandalo izay heverina fa mitondra zavatra sarobidy amin'ny RN12A, mampitohy an'i Vangaindrano sy Taolagnaro, no voasambotry ny Zandary avy amin'ny kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena. Eo amin'ny tananan'i Bekaraoka no nisy izany.

Tranga tsy dia fahita loatra io resaka fanakanan-dalana io fa dia maro ny manararaotra amin'izao tsenan'ny jorofo maresaka izao.

Tsy manaiky ny hanjakan'ny asa ratsy aty Vangaindrano ny Komandan'ny kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena fa indrindra amin'izao taom-piotazana sy fanangonana jorofo izao.

Araka ny loharanom-baovao ihany dia efa jiolahy gaigilahy ifampitadiavana tany Antsiranana ity tovolahy ity ary efa tsy vahiny ny Fitsarana sy ny fonja.

Misy namany mpamatsy basy poleta azy avy eto Vangaindrano ihany.

“Mendrika ny omena sazy henjana”, hoy ny mponina aty ny olona tahaka io satria tsy hiova mihitsy.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa