Antsirabe: Mandeha ny fanorenana Gymnase

  • mardi, 14 novembre 2017 08:03
  • Sary Sobika Antsirabe

Raikitra ary efa mandeha ny asa fanorenana ilay “Gymnase”, hoan’ny Tanànan’Antsirabe. Tonga nitsidika ny fandehan’ny asa fanorenana moa ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filoham-pirenena, Atoa Hugue Ratsiferana sy ny Lehiben’ny Faritra ary ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe.

Nambarany moa fa tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fikolokoloana ny tanora.

Hisy toeram-pilomanosana ity toerana ity ary azo handraisana fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa haorina eto, toy ny toeram-pilalaovana baskety sy hand-ball izany, izay hanaram-penitra tokoa.

Raha ny nambaran’Atoa Razanakolona Paul moa dia miteti-bidy hatrany amin’ny 3 miliara sy sasany ariary ity foto-drafitrasa ity ary nisaorany manokana ny lehiben’ny Faritra nanolotra ny tany hanorenena izany.

Hahazaka olona hatrany amin’ny 3 000 indray miditra ao anatin’ity Gymnase ity, ary ho azo ampiasaina na andro na alina rehefa vita satria hisy ny jiro hiaraka amin’izany.

Efa ho tapa-bolana teo ho eo moa no nanombohana ity asa fanorenana atao eo amin’ny kianjan’ny piste Vatofotsy ity ka velaran-tany hatrany amin’ny 3 000 metatra tora-droa no hanorenana izany.

Tombanana ho tokanana amin’ny volana jona 2018 moa ity fotodrafitrasa ity.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa