Gadra mivoaka ny fonja: Mandiso ny voalazan'ny mpiandry fonja ny Zandary

  • lundi, 13 novembre 2017 20:36
  • Sary Sobika Antsirabe

Nanamafy tamin’ny porofo teo an-tanany ny Zandary fa tena gadra nivoaka ny fonjan’Antsirabe no voarohirohy tamin’ny halatr’omby ny alin’ny 07 novambra 2017 lasa teo.

Araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny Zandary dia voaporofo fa mivoaka ny fonja tokoa ity lehilahy antsoina hoe Vanessa ity, ary miasa mivaro-kena sy mividy omby halatra.

Na dia nandà izany aza moa ny teo anivon’ny fiadidiana ny fonja dia efa feno tanteraka ny valin’ny fanadihadiana sy ny porofo rehetra eo am-pelatanan’ny Zandary fa raha nambara fa tsy mbola nivoaka na ora iray tao am-ponja io tovolahy io dia efa voamarina fa hitan’ny olona isan’andro eny amin’ny tsena eny Ambohimena ary efa nividy omby in-droa tany Belazao ihany koa.

Ankoatra izay dia efa nisy ny nijoro vavolombelona fa niaraka taminy tokoa tamin’io alin'ny 07 novambra io.

Hatolotra ny Fampanaovana indray araka izany ity raharaha ity ka dia ho hita eo ny tohiny. Antenaina ny hanenjehina sy anasaziana ny mpiasan'ny fonja raha tena voaporofon'ny fitsarana marina fa mitsikombakomba mamoaka ireo gadra izay manao asa ratsy.

Mametraka fitokisana ny Fitsarana izahay, hoy ny Ben'ny Tanànan'Ibity, hisorohana ny fitsaram-bahoaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa