Antsirabe: Mpianaka mpivaro-drongony voasambotry ny Polisy

  • lundi, 13 novembre 2017 20:17
  • Sary Sobika Antsirabe

Saron’ny Polisy misahana amin’ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny tokantrano iray ahiana ho ao anatin’ny tambazotra mpamatsy rongony tao amin’ny fokontany Mahazina.

Roa volana lasa izay dia nisy fahatratrarana rongony nilanja 50 kg teto Antsirabe ary niampy indray ny loharanom-baovao hafa nahitana ireto olona mpianaka ireto.

Nisy ny fangatahana taratasy teny amin’ny Fitsarana nahafahana nanao ny fisavana ny tokantranon’izy ireo ka nahatratrarana rongony nilanja 2kg teo ho eo tao amin’ireo olona noahiahiana.

Ankoatra ny rongony dia nahatratrarana fonosana roa hafa izay heverina ho fanaovana vola sandoka ihany koa tao amin’ireo olona ireo. Nisy fanafody be dia be ihany koa tratra tao amin’izy ireo, izay heverina fa mety mpanao aferam-panafody ihany koa izy ireto.

Araka ny fanazavana nentin’ny Kaomisera Divizionera Ramilison Céléstin, lehiben’ny Polisim-pirenena eto Vakinankaratra dia tsy mitsahatra ny mikaroka ny fametrahana ny fandriampahalemana eto Vakinankaratra izy ireo satria azo antoka fa matoa misy ireo akora fanaovana vola sandoka ireo dia ahiahiana ho mbola mandehandeha any ny fitaovana fanaovana izany.

Manao antso avo ho an’ny Vahoaka ihany moa ny tenany amin’ny fanomezam-baovao satria ny fitobahan’ireny zava-mahadomelina ireny no fototry ny tsy fandriampahalemana eto Antsirabe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa