Ankadindravola Ivato: Lehilahy 25 taona, maty nisotro poizina

  • dimanche, 12 novembre 2017 21:25
  • Sary nomena

Ny fahitana tavoahangy plastika nisy sisan-dranomboakazo sy tavoahangy kely nisy poizina teo anilan’ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy, izay nitsirara teo amoron-tanimboly teny Marobiby Ankadindravola, Kaominina Ivato, Distrika Ambohidratrimo, no nironan’ny tombana fa namono tena izy, raha efa niahiahy mponina sao mba valanaretina pesta no namoizany aina ny zoma 10 novambra lasa teo.

Tonga nanao fitsirihana ny razana ny dokotera avy amin’ny CSB II Ankadindravola sy ny Zandary avy ao amin’ny Poste Avancé ao an-toerana.

Fotoana vitsy taorian’ny nahitana ny razana dia tonga teo an-toerana nisy ny razana ihany koa ny fianakaviany akaiky, izay nampahafantatra fa nanana olana ara-tokantrano ity lehilahy ity. Tsy nody an-trano izy ny alina, dia izao vatana mangatsiaka izao no novantanin'ny havany nony maraina ny andro.

Famoizam-po ve no nanosika azy ho tonga tamin’izao famonoan-tena izao, sa nisy olon-kafa tao ambadika nanatanteraka ny famonoana ankolaka azy?

Namela kamboty roa ilay lehilahy. Efa nalain’ny havany ny vatana mangatsiakany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa