Tsimbazaza : Hatakalo 4X4 ny CLD ?

  • vendredi, 10 novembre 2017 22:42
Mandeha ny resaka ankehitriny eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny fa dia manangasanga any ny hahazoan’ireo depiote miisa 151 fiara tsy mataho-dalana isanisany mialoha ny hahataperan’ny fepotoam-piasany amin’ny 2018. 
 
Ho tambin’izay anefa, raha ireo resaka mandeha io hatrany, dia mety hihantona aloha ny fanomezana ilay vola ho an’ny CLD (Comité Local de Développement) fanome isaky ny Distrika.
 
Mitentina 200 tapitrisa Ariary izy io tamin’ny andiany voalohany, ary tokony hisy fisondrotany, mba nahafahana nanamboatra foto-drafitrasa toy ny lalana, tetezana, efitranon-tsekoly ary fampitaovana teny anivon’ny Kaominina samihafa. 
 
Raha izay tokoa no tanteraka dia hatakalo 4X4 indray izany izao ny fampandrosoana ny faritra. 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa