Sambava: Miandry efa-bolana ny kopia sora-piankohonana raha tsy manana 10.000 Ariary

  • mardi, 26 septembre 2017 09:55
  • Sary Sobika Sambava

Nisy Ray aman-dreny iray manan-janaka teraka ny 12 aogositra 2017 tao amin'ny Maternité Dispensaire tonga tao amin'ny Kaominina haka kopia voalohany an'io zanany io. Nampiandrasana any amin'ny volana febroary 2018 izy vao vita ilay kopia rehefa tsy nanome vola 10.000 Ariary notakiana taminy.

Manoloana io tranga io dia nanao fanambarana ny Benin'ny Tanànan'i Sambava ny alatsinainy 25 septambra 2017 fa tsy andoavam-bola ny fakana kopia nahaterahana voalohany ary nanentana ny vahoaka ihany koa izy mba tsy handoa vola na amin'iza na amin'iza ao amin'ny Kaominina raha tsy misy quittance.

Misy boky manjavona ihany koa, tsy hita noho izy ifandroritan'ireo mpiasa ka samy manao copie any an-tranony, hany ka misy ankizy roa na telo manana laharana mitovy vokatr'io tandrevaka misy io.

Tonga tampoka tao amin'ny biraon'ny Ben'ny Tanàna ny solontenan'ny Bianco Antsiranana miisa roa. Tsy nisy nipika ny resak'izy ireo.

 

Commentaires (2)
  • Hey guys!!!
    designs and builds specialty lines of lead oxide production equipment, material handling systems, battery related process machinery, parts, and accessories for the battery, pigment, glass, and chemical industries. http://techbasys.com offers technical application and engineering services to help the customer acheive maximum benefit from their equipment and manufacturing processes.
    mercredi, 15 novembre 2017 02:59
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.