Vangaindrano: Hamboarina ny toby fiantsonan'ny fiarakodia

  • lundi, 25 septembre 2017 18:16
  • Sary Sobika Vangaindrano

Nanomboka androany alatsinainy 25 septambra ny asa fanamboarana ny toby fiantsonan'ny fiarakodia eto Vangaindrano, izay ahorina eto Ampasimpotsy.

Telo volana ny faharetan'ny asa ka volan'ny fitondram-panjakana madiodio no hanaovana izany araka ny fampanantenan'ny praiminisitra nandritry ny fandalovany teto Vangaindrano ny volana martsa lasa teo.

Hahazaka fiarakodia 50 any ho any ity toby fiantsonana ity, izay amina velaran-tany 3Ha. Hiantsona eny daholo ireo zotra suburbaine na reziônaly na nasiônaly.

Ny sabotsy teo no nametrahana ny vato fehizoro sy ny velatra nataon'ireo Ampanjaka sy ny mpitondra aty an-toerana.

Tsara no manamarika fa dia tery ny toerana misy ny fiantsonana amin'izao no sady manelingelina ny fifamoivoizana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.