Grevy teo Marofototra RN34 : Olona miisa dimy nosamborin'ny Zandary

  • dimanche, 17 septembre 2017 22:16

Tantara mitohy ny olana amin'ny fitantanana ny ranon'i Dabaraha. Taorian'ny fitokonan'ny Fokonolona teo amin’ny tetezan’i Marofototra, Kaominina Bemanonga ka nahatapaka nandritra ny ora roa ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-34 ny talata 12 septambra 2017 vokatry ny fanehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany ka nitakiany vahaolana haingana, dia roso tamin'ny fisamborana ireo mpitarika iny grevy iny ny Zandary.

Dimy lahy no voasambotra ny sabotsy 16 septambra ary notazomina tao amin'ny Borigadin'ny zandary Morondava. Vao nahare izany ireo tantsaha manana tany tondrahan'io ranon'i Dabaraha io ao amlin'ny zone Delta, zone Intermédiaire, ny avy eny amin'ny sampanana miazo an'i Belo Tsiribihina dia nifampitaona fa hanao rodobe hiakatra eto Morondava ka ho eny amin'ny biraon'ny Zandary sy ny tranon'ny Préfet.

Nikoropaka ny manampahefana eto Morondava manoloana ny mety ho fiantraikan'izay rodobe hiakaran'ireto Fokonola entin-katezerana ireto. Mety ho izay no namotsorana azy dimy lahy androany maraina, rehefa nampanaovina taratasy fanekena.

 

Commentaires (100)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.