Sambava: Vola 5.160.000 Ariary nanjavona, zazavavy 14 taona nentina nitsoaka ampitaka

  • jeudi, 14 septembre 2017 20:20
  • Sary Sobika Sambava

Nametraka fitarainana eny anivon'ny mpitandro filaminana Rtoa Rasoarimalala Odile noho ny fanjavonan’ny zanany vavy kely 14 taona ny alarobia 13 septambra 2017 tamin'ny 9ora maraina tao Matahodafa, Kaominina Atindra Sambava.

Lehilahy iray mpivahiny, nipetraka efa ho iray volana tao amin’izy ireo, izay mandeha mitety vohitra manasitrana amin’ny alalan'ny otra (massage) no nindrana ilay zaza fa hoe handeha hivoaka kely ho any Amboangibe.

Naheno vaovao tampoka indray anefa ilay fianakaviana fa nandray Taxi-moto ary nitsoaka tsy fantatra io lehilahy io, nitondra ilay zazavavy. Voafitaka ny rehetra tsy nisy nanampo noho ny efa fifankazarana tamin’ilay rangahy tao anatin’ny iray volana.

Lasany nanaraka azy i Marie Olisna, 14 taona, zanaky ny tompontrano, sy ny vola tamin'ny kitapo kely tao an-trano, niampy volan'olonkafa voafitaka teny an-dalana ihany koa.

Mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao.

 

Commentaires (106)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.