Mahajanga: Trano lehibe iray kilan’ny afo

  • mercredi, 13 septembre 2017 13:57
  • Sary Sobika Mahajanga

Ankohonana maromaro no indray traboina vokatry ny haintrano eny amin'ny Fokontany Tsararano ambany, secteur A. Trano iray lehibe no may kila ny maraina teo tamin'ny 09 ora tany ho any.

Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny afo satria tsy nisy olona tao an-trano. Tsy nisy azo noraisina ny 90%n'ny entana tao amin'ilay trano.

Fahavoazana tsy roa aman-tany ny mahazo ireo ankohonana may trano satria ankoatra ireo entana hafa, may tao avokoa hatramin'ny fitaovam-pianaran'ny ankizy vao novidiana hiatrehana ny taom-pianarana vaovao.

Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo izay saika nihitatra tamin'ny trano manodidina.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (178)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa