Fiangonana EKAR Toamasina: Maty tampoka ny Pretra Ralibosolo Ignace Onesiphore

  • lundi, 11 septembre 2017 20:32
  • Sary Sobika Toamasina

Nodimandry tampoka, teo amin’ny faha-52 taona, omaly alahady 10 septambra tokony ho tamin’ny 05ora hariva ny Pretra Ralibosolo Ignace Onesiphore. Mbola nitarika fotoam-pivavahana tao amin’ny hopitaly be ity pretra ity ny maraina, tsy narary tsy marin-koditra, nony tolakandro anefa dia niakatra tampoka ny tahan’ny siramamy tao aminy amin’ny maha-diabetika azy, ka niteraka ny fiakaran’ny tosi-drany ary nitarika ny fahafatesany izao.

Teraka ny 18 febroary 1965 tao Anivorano Atsinanana i Ralibosolo Ignace Onesiphore; ny 26 desambra 1984 izy no voahositra ho Diakra ary ny 13 aogositra 1994 izy no nohamasinina ho Pretra tao Anivorano Atsinanana Brickaville.

Raha ny fandaharam-potoanan’ireo relijiozy namany dia ny talata 12 septambra izao no hapetraka ao anatin’ny fasan’ireo pretra ho an’ny Diosezin’i Toamasina ny nofo mangatsiakany, aorian’ny fotoam-pivavahana anaovana veloma farany azy.

 

Commentaires (221)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa