Sambava: Mpiasa iray may tao anaty trano fitahirizana entana

  • lundi, 11 septembre 2017 08:41
  • Sary Sobika Sambava

Nirehitra ny trano fitahirizana entana iray teto Antanifotsy Voalohany, Sambava omaly alahady 10 septambra tamin’ny 3ora maraina teo. Tampoka ny afo, hoy Atoa Rostand izay tompon’ity tranombarotra ity ary hatramin’izao dia “tsy mbola fantatray ny tena nipoirany”.

Tsy misy tafavoaka ny entam-barotra fa nandritra io fahamaizana io dia lehilahy iray mpanampy no natory tao anatiny ary tratry ny afo tao, saingy tafavoaka. Tsaboina eny amin'ny hopitalibe izy amin'izao.

Mangataka amin’ny tompon’andraikitra izy ireo mba hanokatra fanadihadiana momba ity haintrano ity.

 

Commentaires (50)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa