Toamasina: Hotsaraina amin’ny 19 oktobra ilay tovolahy nandoro efitranom-pitsarana

  • dimanche, 10 septembre 2017 18:36
  • Tahirintsary Sobika Toamasina

Nentin-katezerana i Niola noho ny fiheverany fa mihemotra lava ny fitsarana ny sakaizany izay voarohirohy amina raharaha halatra, ka navita heloka be vava.

Raha ny angom-baovao anefa dia diso efitranom-pitsarana nidirana i Niola ka nentin-katezerana ary nandoro ny efitranom-pitsarana faharoa ny Fitsarana ambony Toamasina ny talata 5 septambra 2017 ka may ny sezan’ny filohan’ny Fitsarana sy ireo Sainam-pirenena tao anatiny.

Voatsara tamin’io talata io ihany ilay sakaizany saingy tamina efitranom-pitsarana hafa, nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ilay tovovavy noho ny tsy fahampian’ny porofo tao anatin’ny antontan-taratasin’ady fanenjehana azy ho nangalatra ka nitazomana azy am-ponja vonjy maika.

Noho ny heloka vitany anefa dia tazomina am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy i Niola, miandry ny fitsarana azy izay hatao amin’ny 19 oktobra. Fandorana Sainam-pirenena sy efitranom-pitsarana ary ny fanivahivana ny Repoblika sy ny Mpitsara, no vesatra anenjehana azy.

Mbola tanora i Niola, 23 taona ary mpianatra taona voalohany sampana lalàna.

 

Commentaires (21)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa