Tanambao Sotema Mahajanga: Narodan'ny Kaominina ny pavillon

  • samedi, 09 septembre 2017 16:40
  • Sary Sobika Mahajanga

Fiarovana tombotsoan'olontokana no andraisan'ireo mpivarotra eny Tanambao Sotema ny fanesorana azy ireo amin'ny toerana ivarotany ary nandrodanana ireo pavillon fivarotana ny marainan'ny sabotsy 9 septambra 2017.

Naharay taratasy fampilazana avy amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga izy ireo omaly ny amin'ny tsy maintsy hialana eo amin'io toerana io ao anatin'ny 24 ora, ary izao niafara tamin'ny fandrodanana izao.

Misy ny disadisa eo amin'ireo mpivarotra sy ny teratany karana tompon'ny tany ao ambadik'io toerana nanesorana ireo mpivarotra io. Efa voafaritra mazava amin'ny tambohony ny tanin'ilay karana kanefa noterena nesorina teo ireo mpivarotra.

Niakatra teny amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany teto Mahajanga ny raharaha ary resy ilay karana. Nampiakatra tamin'ny Fitsarana ambony izy avy eo ary mbola tsy nivoaka ny didy.

Tsena pavillon miisa enina no voakasik'izao fandravana izao ary fianakaviana maro no mivelona eo. Efa hatramin'ny taona 2008 no nivarotra teo izy ireo ary nohamafisiny fa mandoa hetra ara-dalana amin'ny Kaominina.

 

Commentaires (69)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa