Sambava: Nirehitra teo ampihetsehana tromba ny trano

  • jeudi, 07 septembre 2017 20:30

May kila forehitry ny afo ny tokantranon’ity vehivavy mitsabo olona amin’ny alalan’ny tromba izay mipetraka aminy. Raha mbola miantsoantso mafy ny anaran’ireo hery tsy hita maso izy dia indreo fa nitsemboka ny trano ary vetivety dia nirehitra no sady tsy voatazona ihany koa fa nifindra tamin’ny trano mifanila aminy teo.

Afo nolalaovin’ny ankizy tao an-dakozia no ahiahina ho nahatonga izao famaizan’ny trano tao Farafangahely kaominina Anjagonoveratra izao.

Ny tena nanaitra ny olona anefa dia tsy ny entana may sy rava no tena nampitomany an’ilay vehivavy fa ireo lamba fiasana tromba maro karazany, satria mbola tsy fantany hoy izy inona no sazy hiandry azy avy amin’ireo ?

 

Commentaires (25)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa