Ranohira: Dinika momba ny Dinan'Ihorombe

  • mercredi, 06 septembre 2017 19:01
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Notanterahina mandritra izao andiany faha-9 amin'ny Festival Karitaky izao ny kaondoha momba ny Dina mihatra aty Ihorombe.

Ny lehiben'ny Fokontany tsirairay avy dia tokony hahalala ny isan'ny basy ao amin'ny toerana iadidiany. Izany no santionan’ny adihevitra nipoitra tao anatin’ny fifanankalozana.

Nametraka ny Ben’ny Tanànan’i Ranohira izay nitarika ny adihevitra fa ny Dinam-pokontany no tsara hamafisina mba ahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny fomba mahomby. Tsy tokony ifampiandrasana ny fampiharana azy, raha toa ka tandrify izany fahefan’ny Fokontany izany ny zava-miseho, hoy ihany izy.

Vaomiera dimy no tsara apetraka ifotony ka hanana andraikitra eo amin’ny fisorohana izy ireo, eo amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny mponina, ny fampihavanana, ny fanaovana kabarin’ny Dina.

Niavaka ny fomba fijery satria novoizina tao anaty adihevitra ny fampahafantarana ny zava-nisy taloha, ny fampianaran-janaka, ny fampahalalana ireo lalàna sy fanasaziana mifanojo amin’ny fandikana izany, fa indrindra ny fijerena ireo kizo isaky ny fokontany mba hanamora ny fanarahan-dia.

Tapaka tao anaty adihevitra fa ho tazonina amin’izao endriny izao aloha ny Dinan’Ihorombe saingy ilàna fotoana maharitra ny fandinihana ny fanatsarana azy mba hifanaraka amin’ny toejava-misy any an-toerana.

Mitohy amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly ny atrikasa ny andron’ny 6 septambra, andro faharoa amin’ny Karitaka 2017.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (57)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa