Sambava: Ankizivavy 8 taona tra-tehaka nangalatra

  • lundi, 04 septembre 2017 22:32
  • Sary Sobika Sambava

Nihanika varavarankely ilay zazavavy raha iny variana miresaka any ivelan’ny trano sady maka rivotra iny ny tompontrano tao Analapenja Fokontany Antanifotsy 2 androany alatsinainy 04 septambra.

Nosavasavainy avokoa ny poketra sy kitapo, ka firavaka iray no hitany. Noraofiny koa dibera teo ambony latabatra.

Niditra tampoka anefa ny tompontrano dia akory ny hatairana nahita olona tao an-trano ka niantso vonjy fa misy mpangalatra.

Niporitsaka nandositra niaraka tamin’izay ilay ankizivavy kely ka nenjehin’ny Fokonolona fa tsy tratra. Antsasakadiny taty aoriana dia niverenany fanindroany indray ilay trano, ka teo izy no tra-tehaka ary nentina avy hatrany teny amin’ny Polisy niaraka amin’ny Ray aman-dreniny.

Re tamin’ny fanadihadiana azy, fa isan-kariva izy sy ny ray aman-dreniny no mba mihaona fa rehefa atoandro dia samy mandeha any amin’izay tiany haleha any ny zaza ka lasa nanao ny tsy fanao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.