Tonga hamonjy fanasana: Niharan’ny daroka sy voaroba ilay rangahy

  • lundi, 04 septembre 2017 18:04
  • Sary Sobika Sambava

Tao Andamoty Avaratra, Kaominina Farahalana – Sambava no niseho ity tranga ity ny sabotsy 02 septambra 2017 teo. Tsy afaka ny olona tena nahazo fanasana izay any Antalaha fa nandefa solontena.

Nahiahiana ho mpitsikilo na koa mpanendaka io solontenan’ny mpampiasa azy io nony tonga tao amin’ilay lanonana, ka niharan’ny daroka sy vono tsy nisy alaharo nataona Ben’ny Tanàna.

Nifampisintomana ny kitapo babena teny amin’ilay rangahy solontena. Taorian’izay dia nosavaina teo imasom-bahoaka, ka valopin’ny fanasana nandoavana 60.000 Ariary izay nanirahana azy no tao anatiny sy vola taratasy.

Tsy nino izany ilay Ben’ny Tanàna ka mbola nalainy koa ny findain’ilay rangahy ary tsy naverina. Very nandritra ny fifanjevona ny vola mitentina 260.000 Ariary tao anaty kitapon’ilay rangahy.

Milaza ny ametraka fitoriana any amin’ny Fitsarana Antalaha ilay rangahy niharan’ny herisetra ity anio alatsinainy 04 septambra.

 

Commentaire (1)
  • Second Choice For Albuterol For Doctors [url=http://cialtobuy.com ]cialis online[/url] Priligy Premature Ejaculation
    Acheter Du Clamoxil 3 Dollars Viagra Canada Pharmacies Online Prescriptions
    Elocon No Physician Approval cialis Generic Cash On Delivery Doryx Best Website Online Store
    samedi, 23 septembre 2017 11:09
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.