Faritany miaramila faha-4 Mahajanga: Maro ny fangatahana, tsy maharaka ireo DAS

  • lundi, 04 septembre 2017 17:42

Mihamaro ny fangatahana DAS na “Détachement d'appui à la Sécurisation” voarain'ny sampandraharaha mandefa miaramila any ambanivohitra ary tena niakatra be ny fangatahana tao anatin'ny telo vola noho ny tsy fandriam-pahalemana mihamirongatra.

Nandritra ny volana aogositra, omby 98 no very lasan'ny dahalo ary dahalo 4 no voasambotr'ireo miaramila mampandry fahalemana any ambanivohitra, ary efa natolotra ny Zandary hanohy ny famotorana. Basimborona iray ihany koa no tratra tamin'ireo dahalo voasambotra ireo.

Any amin'ny Distrikan'i Maevatanana, Tsaratanana, Mampikony ary Ambato Boeny no tena aharaisana fangatahana raha ny ato anatin'ny faritany miaramila faha-efatra aty Mahajanga, raha ny fanazavan'ny Kolonely Ramanoelina Andrianiaina Jean Victorien, lehiben'ny OPS.

180 ireo miaramila miparitaka amina toerana 36, ka dimy isaky ny toerana anaovana hetsika, izay matetika Kaominina. Io aloha ny efa any an-tsehatra ankoatra ny fangatahana izay voaray.

Commentaires (4)
  • Comprar Clomiphene Kamagra Medicine Kamagra In Linea Orleans [url=http://cialgeneri.com]cialis buy online[/url] Amoxicillin Online Free Shipping Propecia Aromatase
    lundi, 27 novembre 2017 14:36
  • Comment Prendre Kamagra Generic Isotretinoin Drugs Listino Propecia [url=http://cheapvia25mg.com]viagra[/url] Doxycycline And Cephalexin
    mardi, 10 octobre 2017 22:51
  • Que Es Mejor Viagra O Levitra [url=http://orderlevi.com]levitra online buying europe[/url] Cialis Online Opinioni Viagra Quoi Sert
    jeudi, 05 octobre 2017 00:46
  • Best Levitra Price [url=http://cialtobuy.com ]cialis[/url] Amoxicillin Feline Dose
    Cialis Tarif Problems Of Propecia Amoxil Clav Tablets
    Amoxicillin And Pseudophedrine For Sinusitis cialis Is Keflex In Cetazolin Family
    lundi, 18 septembre 2017 22:40
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.