Tanandava Beroroha: Sady misy Ben’ny Tanàna no manana PDS

  • dimanche, 03 septembre 2017 21:49
Hagagana miaro alahelo ny an’ny mponina ao Tanandava ny zoma 01 septambra, nahita fametrahana amin’ny toerany PDS na filohan’ny delegasiona manokana hitantana ity kaominina ity nefa ny Ben’ny Tanàna, voafidim-bahoaka mbola eo amperin’asa.
 
Ny Solombavambahoaka voafidy tamin’ny lisitra FFF (Firaisam-pirenena ho an'ny Fahafahana sy ny Fandrosoana) antokon-dRadavidson Andriamparany Benjamin saingy efa niofo ho HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) Razafindrakoto Harifanja Francette sy ny lehiben’ny Distrika no tonga nametraka ity PDS ity tao an-toerana io zoma io. 
 
Nanamarina ny fisian’izany Atoa Ralaimanana Ignace Robert, izay Ben’ny Tanàna Tsy miankina, voafidy tao an-toerana tamin’ny 31 jolay 2015.  
 
Nanipika mazava anefa ity farany fa tsy nisy fanapahan-kevitry ny Filankevitra kaominaly mampihantona azy amin’ny asany, ary koa tsy mbola nandray taratasy avy amin’ny ministeran’ny Ati-tany mampiato azy amin’ny andraikitra maha Ben’ny Tanànan’i Tanandava azy ny tenany.
 
“Manohy ny asa maha Ben’ny Tanàna ahy aho”, hoy Ralaimanana Ignace Robert raha nantsoina. Tsy fantatra izay hiseho ny alatsinainy 04 septambra fa dia sady misy Ben’ny Tanàna izao eto Tanandava no misy PDS.
 
Kaominina vaovao i Tanandava, ary Ralaimanana Ignace Robert no Ben’ny Tanàna voalohany voafidy tao, ity farany izay milaza fa “sarotiny amin’ny fitantanana ny volan’ny Kaominina”. Nambarany fa ny fikasana hitantana io  vola io no ao ambadik’izao fametrahana PDS izao.
 
 
Commentaires (2)
  • Amoxicillin And Tinnitus Sie Effect [url=http://cheapviapills.com]viagra[/url] Costo De Propecia Compra Viagra En Linea isotretinoin 20mg internet low price
    lundi, 23 octobre 2017 09:20
  • For Sale Bentyl [url=http://cialtobuy.com ]cialis price[/url] Side Effects Of Cephalexin 500mg
    accutane tablets buy Comprar Cialis En Linea
    Viagra 100mg Kosten cialis Buy Mitazapine In Uk
    jeudi, 21 septembre 2017 00:07
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.