Ambohibary Sambaina: Nitangoronan’ny Fokonolona ny biraon’ny Zandary

  • mercredi, 30 août 2017 22:01

Voasoroka tamin’ny ora farany ny sakoroka taty Ambohibary Sambaina, Distrika Antsirabe II androany alarobia 30 aogositra 2017.

Nahatratra jiolahy mpangalatra tao amin’ny Fokontany Ambohimandroso ny Zandary. Nanondro olona roa ho mpiray tsikombakomba taminy io jiolahy io rehefa natao famotorana. Nosamborin’ny Zandary ireo olona roa voatonona ireo.

Nanohitra izany ny Fokonolona ka nirohotra teny amin’ny biraon’ny Zandary teto Ambohibary io maraina io ary nitaky ny hamotsorana tsy misy fepetra ireo olona roa voan’ny tondromolotra ireo.

Niakatra ny feo. Niditra nanao fanelanelanana ny delegem-panjakana sy ny Ben’ny Tanàna, ka taorian’izay dia navotsotra ireo olona roa ireo. Tony ireo Fokonolona ary niverina tamin’ny laonina ny fiainam-bahoaka aty Ambohibary.

Ilay jiolahy kosa hatolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antsirabe.

 

Commentaires (98)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.