Atsimo Atsinanana: Mitady paikady hamerenana ny fifampitokisana eo amin'ny Zandary sy ny Vahoaka

  • mercredi, 30 août 2017 16:45
  • Sary Sobika Vangaindrano

Mihaona eto Vangaindrano ireo tompon'andraikitra antanan-tohatry ny Zandarimariam-pirenena anatin'ny Faritra telo izay mifanilabodirindrina dia Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Mitarika izany aty ny Talen'ny kabinetran’ny Sekreteam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny avy ao amin'ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena.

Amin'izao fotoana izao ny fihaonana dia miaraka midinika amin'ireto tompon'andraikitra mahefa ato amin'ny faritra Atsimo Atsinanana, mba hamoaka ny paikady entina hamerenana ny fifampitokisana eo amin'ny Zandary sy ny Vahoaka. Ka hampahafantarina an'ireo solontenam-pokonolona sy vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ireo sampandraharaha tekinika hanampariam-pahefana ato amin'ny faritra Atsimo Atsinanana.

 

Commentaires (110)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.