Vohémar: Noteren'ity Paramed hanao firaisana taminy ilay ramatoa tonga hitsindrona

  • mardi, 29 août 2017 20:21
  • Sary Sobika Sambava

Hanao fandrindram-piterahana no nanatonany hopitaly, Paramed moa no misahana izany any an-toerana, nefa dia niharan’ny fanararaotana ara-nofo an-tery Rtoa Angelica. Ny marainan’ny 02 aogositra 2017 no nisehoan’ity tranga ity tao amin’ny Kaominina NosiBe, Distrika Vohémar.

Renim-pianakaviana mbola tanora i Angelica, teraka ny 22 desambra 1996 izy. Telo ny zanany ary sivy volana ny farany. Ny fianakaviany no nanoro hevitra azy mba hanao fandrindram-piterahana amin’izay, tamin’io andro io nanantonany mpitsabo io no voalaza fa nahatongavan’ny fadimbolany voalohany taorian’ny niterahany ny zanany fahatelo.

Niala avy tao Madirobe Antsahampano namonjy ny toeram-pitsaboana tao Nosy Be i Angelica. Noraisin’ny Mpitsabo Paramed tsara, notsindromina ary nasian’ity farany soratra hoe : “Mimpody 25/08/17” ny karne nentiny. Nony vita izay dia noteren’ilay Paramed hiray ara-nofo taminy ilay ramatoa, ary tsy namelany raha tsy tontosa teo amin’ny gorodona izany na niezaka nanohitra aza ilay vehivavy.

Nametraka fitarainana avy hatrany tao amin'ny lehiben’ny Fokontany tao Madirobe Antsahampano i Angelica manolona ny zavatra nanjo azy. Nakarin’ny Fokontany teny amin’ny Kaominina NosiBe ny raharaha.

Rehefa nanontaniana momba io ny Ben’ny Tanàna dia nilaza ny hangataka famindran-toerana avy hatrany ity Paramed nanota fady tao amin’ny biraom-panjakana ity. Nanamafy izy fa efa eo ampelatanany io fitarainana io saingy matahotra sao dia tsy hahita hasolo ity nanondrana ity ny tanàna.

Tetsy ankilany dia taitra ny lehiben’ny fahasalamana mifehy ny Distrikan’i Vohémar raha naheno ity tranga ity, fa tsy mbola nisy tatitra momba izany tonga tany aminy.

 

Commentaires (3)
  • Keflex Talin And Clotrimazole Stendra 200 Mg Cheap [url=http://genericviabuy.com]viagra online prescription[/url] Precio Cialis 10 Mg
    jeudi, 16 novembre 2017 21:56
  • Cialis Tanio [url=http://cheapvia25mg.com]viagra online pharmacy[/url] Viagra Ohne Rezept Im Ausland Kaufen Priligy Generic Msc Propecia
    dimanche, 29 octobre 2017 20:58
  • Forum Viagra En Ligne Discount Finasteride Xenical No Prescription [url=http://levibuying.com]buy levitra professional online[/url] Cheap Zithromax Online
    mercredi, 11 octobre 2017 11:25
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.