Mahajanga: Tsy mitsitsy ny mpitaky hetra

  • jeudi, 24 août 2017 14:17
  • Sary Sobika Mahajanga

Tapitra hatreo ny fampitandremana sy ny fampahatsiahivana ireo mpitatitra ny amin'ny fandoavana hetra tambatra aty Mahajanga. Hatramin'ny fiandohan'ny herinandro teo, nisy ny fidinana ifotony nataon'ny sampandraharaham-paritry ny hetra sy ny mpitandro ny filaminana nisava ny karatry ny mpandoa hetra, ary manararaotra ny fisavana ny licence ihany koa ny avy ao amin'ny sampandraharahan'ny fitaterana avy amin'ny Kaominina renivohitra Mahajanga.

Ny zavatra hita aloha, tsy mavitrika amin'ny fandoavana ny patanty ireo fitateram-bahoaka eto Mahajanga, na bus io na Bajaj. Porofon'izany, tao anatin'ny andro vitsy nanaovana ny hetsika, maro dia maro ireo nampidirina fourrière, noho ny resaka licence sy patanty tsy voahefa.

Nahitam-bokany kosa anefa ny hetsika satria maro ireo nahatsapa tena na mbola tsy voasava aza ka nanefa avy hatrany ny anjarany. Efa tamin'ny 31 jolay moa no fetra farany fandoavana ny patanty ho an'ity taona ity saingy mbola mamono sofina ny ankamaroan'ireo mpitatitra.

Raha ny fanazavana voaray anefa, tsy misy afatsy ny vola miditra amin'ireo fiara anatin'ny 15 andro anatin'ny taona iray no takiana aminy ho hetra tambatra na impôts synthétiques.

Tsy hitsitsy ireo tompon'andraikitra mba ho fanomezana hasina ireo mazoto manefa ny adidiny amin'ny maha mpandraharaha azy, izay misitraka ireo fotodrafitrasa samihafa omena azy sy ampiasainy hitadiavany vola tombony, toy ny fampiasany ny lalana sy ireo mpandrindra ny fifamoivoizana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (2)
  • Ronaldcrise
    viagra and lung conditions in dogs
    [url=http://viagraxrm.org/]cheap viagra[/url]
    buy viagra online
    loss viagra prescription
    vendredi, 25 août 2017 22:34
  • Ronaldcrise
    viagra muscle
    [url=http://viagraxrm.org/]buy viagra online[/url]
    Jasonlooxy
    get some viagra
    vendredi, 25 août 2017 21:57
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.