Fianarantsoa: Mpaka an-keriny saron'ny Polisy

  • mercredi, 23 août 2017 19:37
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Fikarohana in-droa miantoana nandritra ny folo andro no nazahoana ny vokatra momba ilay fakana an-keriny ny zanaka mpandraharaha iray teto Fianarantsoa.

Natolotra ny fitsarana omaly 22 aogositra ireo lehilahy 5 nahavanona izany, raha efa naiditra am-ponja vonjy maika ny roa tamin'ireo iray tsikombakomba.
Tovolahy iray no karohina amin'izao fotoana izao.

Toy izao ny fizotry ny tranga.
Nofandrihan'ny mpaka ankeriny tamin'ny alalan'ny kaonty facebook ilay zazalahy tokony ho 15 taona zanaka mpandraharaha. Nomen'izy ireo fotoana ny 10 aogositra lasa teo izy ary ny hariva tokony tamin'ny 5 ora sy sasany no nisehoan'ny tranga teo Ambatomena.

Nampiasa basy hanerena azy hiditra ny fiara iray ny tovolahy miisa 6, ka nitondra azy tany amin'ny bungalow iray tany Ampopoka.
Nofatoran'izy ireo tao ilay tovolahy niharan-doza ka navelany irery tao nandritra ny fitakiana ny 40 tapitrisa tamin'ny ray andrenin'ilay zaza.

Tsy nahomby ny paikady satria afaka namaha ny fatorana teny aminy ilay tovolahy notanana an-keriny ka nandositra tamin'ny varavarakely.

Nanomboka teo ny velapandrika sy fanenjehana azy ireo. Ka nazahoana izao vokatra izao.
Voalazan'ny mpitandro filaminana fa misy tanora niofana ho miaramila taloha miisa 2 amin'ireo jiolahy ireo.

 

Commentaires (48)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.