Ambatondrazaka: Miparitaka ny basy sy vola sandoka

  • lundi, 21 août 2017 21:50
  • Sary Sobika Ambatondrazaka

Olona roalahy avy any Anjozorobe Faritra Analamanga no tra-tehaky ny Zandary avy ao amin’ny “Poste Fixe” Ranofotsy, Kaominina Andilanatoby, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, saika hivarotra basy kalachnikov niaraka tamin’ny bala miisa 24 tao Ambatondrazaka.

Nisy basy iray vita gasy niaraka tamin’ny bala ihany koa saron’ny Zandary manao fisafoana amin’ny alina tao Antanifotsy, Kaominina Ambatondrazaka. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy vao nahita ireo Zandary fa ny basy kosa tavela.

Ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana amin’ny alina ihany koa no nahalalana fa manomboka miparitaka aty Ambatondrazaka ny vola sandoka 10.000 Ariary. Olon-tsotra isany lasibatra no nampandre ny Zandary.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (49)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.