Toamasina: Fifamaliana be teo amin'ireo mpisolovava sy ny mpitsara

  • mardi, 01 août 2017 21:56

Raikitra ny fifamaliana teo amin'ireo mpisolovava sy ny mpitsara teto Toamasina androany maraina; ny antony dia mikasika ny familafilan'ny mpitsara hitsara ireto mpanera (rabatteurs) roa lahy tratra ambodiomby misandoka ho mpisolovava ary mbola naka vola 12.000.000 Ariary tamin'ireo mpanan-draharaha tamin'izany.

Nisy fitsaram-bahoaka mantsy tany Soanierana Ivongo ka nisy olona maromaro voasambotra niakatra Fitsarana ny 19 jolay teo, ka nandritra izany no nakana ilay vola, izay nitsinjara ho toy izao: ny 4.000.000 Ariary nomena mpitsara aloha mba tsy hidirana am-ponja.

Nisy ihany anefa ireo enin-dahy notanana am-ponja vonjimaika ka mbola naka vola 2.000.000 Ariary isan’olona indray tamin'izy enin-dahy ireto mpanera ka izay ilay 12.000.000 Ariary faharoa.

Tsy afaka nitsara ny raharaha anefa ilay mpitsara tokony nitsara izany androany noho ny iray tamin'ireo voarohirohy zaodahiny, ka nomena mpitsara hafa ny raharaha. Ity mpitsara ity kosa tsy nandray izany raha tsy mahazo baiko, ka teo no raikitra ny sakoroka, ka nilazan'ireo mpisolovava ireo fa ny mpitsara mihitsy izany no mahatonga ny mpanera mameno ny Fitsarana sy mahatonga ny kolikoly be eo anivon'ny Fitsarana, koa rariny hoy ireto mpisolovava ireto raha tsy hanome anareo fahaleovantena ny Fanjakana fa raha izao no misy ho maty momoka ny marina karohina eto amin'ny Fitsarana.

Nisy moa ny fihaonan’ny roa tonta tamin'ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka nivoaka ihany ny daty fa amin’ny tapaky ny volana aogositra izao no hitsarana ny raharaha.

Miankina amin'ny didy mivoaka eo anefa no hampilamina ny ady eo amin'ny mpitsara sy ireo mpisolovava ireto.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.