Kaominina Bekoratsaka: Dahalo iray voasambotra niaraka tamina basy mahery vaika

  • samedi, 15 juillet 2017 11:35
  • Sary Sobika Mahajanga

Daholo iray tamin' ireo 9 lahy nangalatra omby no sarona nandritra ny fifanenjehan'izy ireo tamin'ny fokonolona sy ny Zandary. Nangalatra omby tao amin'ny tanàna atao hoe Miadanasoa izy ireo.

Misy ny hetsika fampandriana fahalemana amin'izao, ka nandritra ny folo andro voalohany no nahazoan'ny Zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Mampikony, vondrotobim-pileovana Sofia izao vokatra izao.

Tratra teny amin'ity dahalo, voasambotry mpitandro ny filaminana ity moa ny basy "fusil à cinq coups" izay tena mahery vaika tokoa raha ny fanazavan'ny lehiben'ny fari-piadidian'ny Zandarmaria Mahajanga, ny Kolonely Behivoka Fiederch.

Omby 49 no nangalarin'ireto dahalo ireto, ary lasan'ireo namany tafatsoaka avokoa izany.

Dahalo iray kosa no maty lavon'ny balan'ireo Zandary tany amin'ny faritra Betsiboka, Distrikan'i Tsaratanana tamin'ity herinandro ity araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Tsy nanana basy ity farany fa lefona no fitaovam-piadiana nentiny.

Omby 62 no nanaovana fitsirihana, nohamarinina tao Antsohihy ny 13 jolay teo. Tsy mifanaraka amin'ny voasoratra ao amin'ny bokin'omby anefa ny 26 tamin'ireo. Tsy mifanaraka na dia ny volon'omby aza. Mbola naman'ireo omby 93 tany amin'ny Fokontany Matsabiribe Ampandriakilandy saron'ny Zandary nogiazana fa tsy ara-dalana ireto nafenina tany Antsakabary Distrikan'i Befandriana ireto.

Tsy mbola hita ny tompony fa mpikarama miandry ireo omby ihany no sarona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa