Fitantanana ny zetra: Mahatsiaro atao ankilabao ny tantsaha ao Ambohitsilaozana

  • mardi, 11 juillet 2017 16:01
  • Sary nindramina

Avereno amin'ny eny ifotony ny fitantanana ny zetra ! Izay no fitakian’ireo tantsaha ao Ambohitsilaozana, Distrika Ambatondrazaka. Zary potika ny zetra ankehitriny satria tsy ny olona eny ifotony no mitantana izany hoy izy ireo.

Mahatsiaro atao ankilabao mahakasika ny fitantanana ny zetra ny ao Ambatofotsy, Ambaiboho, Angoja sy Ambodivoara ary Ambohimanga. Miantso ny mpitondra izy ireo mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity satria mijaly ireo tantsaha tompontany.

Ny zetra moa dia ireo toerana baiboho misy ireo biby tsy misy afatsy eto amintsika, Bandro, izay ao no misy ireo zava-maniry sakafon'izy ireo. Ny zetra anefa dia tany lonaka ka ambolen'ny olona.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa