Sambava: Sefo Fokontany voatafika, sady vaky loha no very lavanila masaka 7kg

  • lundi, 10 juillet 2017 20:58
  • Sary Sobika Sambava

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Ambodihelana, Kaominina Morafeno alina. Voatafika tamin'izany Atoa JAORISY Beantsiraka, izay Sefo Fokontany ao an-toerana. Lasan'ny jiolahy ny lavanila masaka milanja 7kg izay tombanana ho 7 tapitrisa Ariary sy ny basiny iray calibre 12.

Naratra mafy teo amin'ny lohany noho vono nahazo azy ilay Sefo Fokontany ka nentina namonjy ny CSBII Morafeno. Zaitra miisa 13 no nanakatonana ny fery.

Sarotra ny antso vonjy satria somary mitoka-monina eo amin'ny 4km miala ny tanàna no nisy ny toerana izay niandrasany ny lavanila maitso, izay mbola tsy notazana, ny zanany kely 13 taona no nandeha andro alina nanaitra ny tany an-tanàna.

Nirohotra ny fokonolona nanara-dia ireo enin-dahy nanafika fa tsy tratra izy ireo.

Ny Zandary any Farahalana no mandray an-tanana ny fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa