RN12 Manombo: Fiara mpitatitra tra-doza, maro no naratra, potika ny fiara

  • samedi, 08 juillet 2017 20:12
  • Sary Sobika Farafangana

Lalam-pirenena faha 12 mampitohy an'i Farafangana sy Vangaindrano. Lozam-pifamoivoizana omaly zoma maraina tokony tamin'ny 7ora sy 30. Fiara mpitatra olona avy aty Farafangana ho any Vangaindrano.

Tao Manombo, 34km miala ny an'i Farafangana, no nitrangan'ny loza. Tsy tafaverina intsony ny familiana ny fiara noho ny fasimbana nisy tamin'ilay fiara, ka dia nidofotra tamin'ny sisin-dalana.

Nisy ny naratra vitsivitsy sy voadona mafy, soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Ny fiara kosa dia nahitana fahavoazana.

Tsy mahagaga izao hoy ny mpandeha fa efa ratsy loatra sy tsy azo antoka ny ankamaroan'ny fiara mitatitra olona Farafangana sy Vangaindrano io. Tsy tokony hahazo alalana handeha mihitsy, ao ny mandena mpandeha rehefa manorana ny andro, etsy andaniny ny tsy fanajana mpandeha amin'ny hanaovana taingim-be.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa