Antsirabe: Zandary mamo nitera-doza, roa naratra

  • jeudi, 06 juillet 2017 15:51
  • Sary Sobika Antsirabe

Nitrangana lozam-pifamoivoizana vao maraina teto an-tananan’Antsirabe androany alakamisy 06 jolay. Fiara kely BMW iray netina zandary avy nisotro toaka tao amin’ny hotely iray misy toeram-pandihizana teo Ampihaviana no nirimorimo fandeha ka nifatratra tamin’ny fiara minibus Mazda iray mpitatitra olona, efa feno mpandeha nikasa ho any Ilakaka, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina.

Olona roa no naratra tamin’izany, dia ny mpandeha teo amin’ny ilay havanana anoloan’ilay Mazda sy ny mpamily ilay fiara mpitatitra. Nambaran’ilay mpamilin’ilay Mazda fa saika hitsoaka tamin’ny fiarany ihany ilay zandary saingy nosakanan’ny olona ary nesorina teny aminy ny fanalahidin’ny fiara vao nijanona izy.

Avy eo dia norahonany indray ilay mpamily taksiborosy fa tsy mahalala azy hono fa mila amboarina ny fiarany fa tsy mila hiantsoana mpitandro filaminana izany.

Tonga moa ny teo anivon’ny Polisim-pirenena saingy niala maina ka niantsoana Zandary nanao ny fanamarinana. Niteraka fitohanana vao maraina moa ity lozam-pifamoivoizana ity satria hatramin’ny tamin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora sy sasany dia mbola nifandrirarira teo ny andaniny sy ankilany ka tonga ny Zandary mpiara-miasa tamin’ilay namoa-doza nandamina izany.

Mamo tampona ilay Zandary mpamily niteraka ny loza ka sarotra ny fifampiresahana ary nisy mihitsy ny fandrahonana ilay mpitondra taksiborosy.

Izany moa ny endrikin'ny "Izahay no mitondra sy anay ny Pouvoir izao" aty Antsirabe.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa