Mahajanga : Nifoha tamin'ny torimasony ny Grand Sud-Est

  • lundi, 19 juin 2017 15:16
  • Sary Sobika Mahajanga

Nahazo filoha vaovao ny "Association des cadres Grandes Sud-Est Mahajanga". Heriniaina Léonard no voafidin'ireo mpikambana mivondrona ao amin'ny "Association des cadres Grand Sud-Est Mahajanga" ho filoha hitarika ny fikambanana indray, mandritra ny telo taona.

Tontosa ny sabotsy 17 jona lasa teo ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny filoha teo aloha Tsifakia Pascal.

Nifoha tamin' ny torimasony indray ny fikambanana rehefa nangina nandritra ny taona maro izay.

Fikambanana sosialy ny Association des cadres du Grand Sud-Est mamondrona ireo vato nasondrotry ny tany avy any amin'iny faritra iny ary miasa sy mipetraka aty Mahajanga. Faritra Anôsy, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana no voafaritra sy tafiditra ao anatin'ny fikambanana.

Laharam-pahamehana amin'izao ny fanangonana indray izay vaokasika hiditra ho mpikambana, fanomezana tantsoroka ny fikambanana reniny dia ny Association des cadres Grand Sud-Est satria mahatsapa izy ireo fa kitro ifaharan'ny fampandrosoana ny faritra nipoiran'izy ireo ary anisan'ny singa lehibe mampiodina ny fikambananan'ny Grands Sud.

Isan'ireo hahazo tombony ihany koa amin'izao fivondronana izao ireo mpianatra avy any amin'ireo faritra ireo mandranto fianarana eto Mahajanga.

Nanamafy ny filoha vaovao hitarika miaraka amin'ireo birao voafidy fa tsy handraraka ilo mby an-doha fa hiezaka indray hanandratra ny faritra nihavian'izy ireo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (6)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa