Fianarantsoa : Parka mitety faritra andiany faharoa

  • samedi, 17 juin 2017 12:46
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Mivahiny eto Fianarantsoa nanomboka ny talata lasa teo ny Parka Tsimbazaza amin'ny alalan'ny fampirantiana ireo karazam-biby sy vakoka afaka mitety vohitra.

Hita ao ny biby manan'aina 15 sy ireo voatahiry amin'ny endriny ety ivelany karazany 4, miaraka amin'ny vakoka misy ny sombiny amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Miakatra hatrany amin'ny 4000 mahery ireo mpitsidika izany tao anatin'ny 4 andro. Ka hitarina ny alahady maraina ny hetsika noho ny fangatahan'ny besinimaro.

Andiany faharoa izao tanterahina eto Fianarantsoa sy hitohy any Ambohimahasoa sy Ambositra izao.

15% n'ireo biby tazana ao ireo no miaina any anaty valanjavaboahary ao Ranomafana sy Andringitra.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (15)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa