Ambatoboeny: Ravan'ny Zandary ny tambazotra iray mpivarotra zava-mahadomelina

  • vendredi, 16 juin 2017 13:18
  • Sary Sobika Mahajanga

Manoloana ny tsy fandriampahalemana mafana vay aty anatin'ny Distrikan'Ambatoboeny, dia misy ny hetsika fampandriana fahalemana ataon'ny Zandary avy amin'ny tobim-paritra aty an-toerana ka naharavana ireo mpivarotra rongony sy toaka gasy.

Olona miisa enina no sarona, ka toerana samihafa avokoa no nahatrarana azy ireto niaraka tamin'ny entam-barotra. Tao amin’ny Fokontany Ambohitradala no nahatrarana ramatoa iray efa 68 taona mpivarotra rongony ary mbola teny aminy ny rongony 37 fonosana.

Mbola tao amin'io tanàna io ihany koa no nahatrarana toaka gasy 3 bidon kely, mahazaka 20 litatra, avy tamina vehivavy roa.
Tanàna tsy lavitra eo, Ambatoatsimo, ramatoa iray 58 taona no nahatratrarana rongony 4 kilao mahery.

Efa tonga aty Mahajanga tampon-tanàna moa izy 6 ireto hatao fanadihadiana ary hatolotra ny Fampanoavana. Efa nodorana kosa ireo zavamahadomelina.

 

Commentaire (1)
  • Female Cialis Difference Between Amoxicillin And Augmentin Cialis Bugiardino [url=http://mailordervia.com]viagra[/url] Correct Dosage Amoxicillin Cat Viagra Entrega 24h Propecia In Men
    samedi, 21 octobre 2017 01:38
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa