Antsalova : Nivoaka ny trano hamonjy antsoantso vonjeo, maty voatifitry ny dahalo ilay lehilahy

  • mardi, 13 juin 2017 21:35
  • Sary Sobika Antsalova

Notafihin’ny dahalo ny tokantrano iray teto Antsalova tampon-tanàna ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 12 jiona, tamin’ny 1ora maraina. Niantso vonjeo ny olona tao, ka nivoaka ity lehilahy ity, izay mifanila trano amin’ilay voatafika ihany.

Vao nivoaka anefa izy dia notsenain’ny dahalo tamin’ny tifitra, ka tavela. Niditra teo amin’ny kibony ny bala ary nivoaka tany an-damosiny.

Nentina tany amin’ny hopitaly izy mba hotsaboina sy hanesorana ny bala tavela tao amin’ny vatany, saingy tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra.

Ilay tokantrano nidiran'ny dahalo anefa tsy manana omby hangalarina fa tsy hay hoe inona no anton-dian'ireto olon-dratsy.

Noheverin'ny olona ho poa-basin'ireo mpanao didi-poitra ny basy nipoaka io alim-be io ka tsy nisy taitra. Efa nahita ity lehilahy ity voatifitra vao samy nikoropaka, kinanjo ...

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa