Soalandy Ankadivoribe: Mpianaka naratra notifirin’ny jiolahy

  • mardi, 13 juin 2017 20:51

Tokantrano iray no notafihin’ny jiolahy miisa fito mitam-basy teny Soalandy Ankadivoribe, Antananarivo Atsimondrano , ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 12 jiona efa hisasakalina

Nivoaka nitondra ny zanany hivalandrano tao an-davarangana ilay rangahy, tsy nanampo na inona na inona, no nifanehitra tamin’ny jiolahy efa tafakatra tao ary nitifitra avy hatrany. Nisolifatra teo amin’ny lohan’ilay rangahy ny bala, ka naratra mafy izy. Nahita izany ny zanany dia nihiaka mafy, ary dia notifirin’ireo jiolahy ihany koa ka voa teo amin’ny feny.

Noho ny feom-basy dia raikitra ny kiririokan’ny manodidina, namelona lakolosy avy hatrany kosa ny EKAR Ankadivoribe, nampaneno ny “sonnerie” ny sekoly tsy miankina iray ao Soalandy, nanairana ny manodidina ka nirifatra nitsoaka ireo jiolahy.

Ny alatsinainy tamin’ny enina ora sy sasany maraina no tonga ny Zandary avy ao Ankadivoribe namantatra ny zava-nitranga. Ireo naratra nentina nandeha hopitaly ny androtry ny loza ihany.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa