Mahajanga: Matahotra ireo Karana na ny handeha hamonjy Moske aza

  • mardi, 13 juin 2017 12:18

Nisy nandefa tao anatin’ny tambazotran-tserasera “Facebook” tao amin’ny “Vaovao misongadina”, ny alatsinainy 12 jona antoandro fa teratany karana iray indray no nisy naka an-keriny teto Mahajanga ny marainan’ny zoma 9 jona 2017. Tompon’ny tranombarotra lehibe iray eny Mahabibo io teratany karana io, raha ny voalaza tao amin’ilay tambazotran-tserasera.

Raha ny fanazavana tao hatrany dia nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy sy nisaron-tava ireo olon-dratsy ireo. Fiara Sprinter tsy misy laharana no nentin’izy ireo nanao io fakana an-keriny io.

Tsy nisy nanao fanamarinana na fandisoana ny vaovao navoakan’ny olona momba ny fakana an-keriny teto Mahajanga ity, tao anatin’ny tambazotran-tserasera. Ny fanazavana nomen’ilay nanaparitaka ny vaovao fotsiny dia hoe, efa miha mahazo vahana mihitsy ity fakana an-keriny ity, ary teratany karana foana no lasibatra amin’izany.

Raha ny zava-misy eto Mahajanga dia tsy nisy nahalala ny fisian’izany fakana an-keriny teratany karana teny Mahabibo izany ny Vahoaka. Tsy nisy resaka akory na tamin’ny haino aman-jery aza.

Nanamafy ny avy eo anivon'ny Polisim-pirenena aty an-toerana fa tsy mbola nahazo fitarainana mahakasika io raharaha io.

Tsikaritra kosa fa mihafihafy ary tsy tazana mifamezivezy an-kalalahana toy ny mahazatra ireo teratany Karana eto Mahajanga noho ny tahotra, eny fa na handeha hamonjy Moske amin'izao volana ramadany izao aza.

 

Commentaires (130)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa