Distrika Vohibato: Mampiasa ny fomban-drazana Tsitsika ny fokonolona ho fiadiana amin'ny asan-dahalo

  • lundi, 12 juin 2017 17:17

Nifamatotra amin'ny alalan'ny Tsitsika ny vatan-dehilahy aty amin'ny fokontany Tanandava, Kaominina ambanivohitra Talata Ampano, Distrikan'i Vohibato, satria tsy afaka miantehitra amin'ny mpitandro filaminana intsony.

Izany dia fomban-drazana mbola manan-danja aty an-toerana ka izay mandika ny teny omeny eo imason'ny rehetra dia lasa fahavalom-bahoaka sy ametrahana ahiahy raha tsy tratra amin'ny asa ratsy mivantana.

Nanatontosa izany ny fokonolona taty Ankerana Tanandava ity marain'ny alatsinainy 12 jiona ity, herinandro taorian'ny fanafihana tanàna nitranga, izay nandrehitra ny hatezeram-bahoaka.

Natrehan'ny depiote lany aty an-toerana izany sy ny solontenam-panjakana avy amin'ny fokontany. Nisy ny fanamarinam-pahatongavana ka voarakitra anaty lisitra manonkana izay rehetra tsy namonjy io fotoana io.

Fomba iray ifampifehezan'ny fokonolona izany manoloana ny tsy fandriampahalemana ka tokony hanatanteraka izany daholo ny fokontany miisa160 ato amin'ny Distrika hoy ny depiote.

Marihina fa avy any Isandra avokoa ireo dahalo 18 isa lavo tato amin'ny Distrikan'i Vohibato tao anatin'ny 3 volana voalohan'ny taona 2017.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa